- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversPetite Vitesse : Lehilahy noendahin’ny 11 lahy, silipo sisa nentina nody

Petite Vitesse : Lehilahy noendahin’ny 11 lahy, silipo sisa nentina nody

Lehilahy iray avy niantsena teny amin’iny faritra Petite Vitesse iny no noendahin’ny andiana mpanendaka miisa 11 teo. Tsy afa-nanohitra ity lehilahy ity, raha ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, satria tratran’ny be noho ny vitsy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola tany aminy, niampy finday ary hatramin’ny akanjo teny an-kodiny. Tsy nisy afa-tsy silipo sisa navelan’ireto mpanendaka ireto. Nametraka fitoriana ranamana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana dia tovolahy roa no tratra teny an-toerana. Nambaran’ny vaovao fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanendahana ity lehilahy ity ireto voasambotra ireto, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana avy any Antsirabe ny iray ary karazan’irony tsy manan-kialofana irony kosa ny iray. Samy notanana teny Antanimora avokoa moa izy roalahy ireto taorian’ny fihainoan’ny Fampanoavana azy.

r.s

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici