- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Pilote matin’ny lozam-pifamoivoizana

Tsarasaotra : Pilote matin’ny lozam-pifamoivoizana

Ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 11ora no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Nidona tamin’ny fiarabe izay nipetraka an-tsisin-dàlana ny fiara kely izay nentiny. Poltika tanteraka ny fiarakodia ary naratra mafy kosa ny mpamily azy. Teo ihany dia nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izy saingy tsy tàna ny ainy. Adiny iray taty aoriana dia namoy ny ainy ilay lehilahy. Mpanamory fiaramanidina eo anivon’ny kaompania tsy miankina iray izy. Namela mananon-tena sy kamboty iray. Inona ny mety ho zava-nitranga ? Raha araka ny re dia avy namangy fahoriana izy ary nizotra hamonjy fodiana no io nifandona tamin’ny kamiao io. Nipetraka an-tsisin-dàlana ilay fiara vaventy saingy ahiana ho ratsy fipetraka ny vodiny izay voadonan’ilay fiara kely tao anatin’ny haizina. Ny mpamily ny kamiao no niantso izay nomerao hitany faramparany tao anatin’ny findain’ilay olona naratra be. Nanao izay ho afany tamin’ny fitondràna tany amin’ny toeram-pitsaboana ny olona rehefa tonga saingy tsy naharitra ela dia maty ny naratra vokatry ny fahavoazana mafy teo anivon’ny lohany. 31 taona ilay namoy aina ary manan-janaka kely iray no sady miandry ny zaza faharoa, raha araka ny vaovao fantatra. Omaly dia mbola nitohy ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana momba ity tranga lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici