Mpiambina ny roa ary olon-tsotra avy aty ivelany mihitsy ny fahatelo farany. Ireo no tazomina ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany izay misahana ny fanadihadiana mahakasika ilay halatra “coffre” tao amin’ny toeram-pisakafoanana Planète, etsy Ambohijatovo. Tsy nisy nipika aloha ny fandehan’ny fihainoana ao Analakely noho ny fiarovana ny tsiamabaratelon’ny fanadihadiana. Na izany aza anefa dia efa mazava ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ao anatin’ity raharaha ity. Tsy ho voabatan’ny olona iray na roa mihitsy mantsy ilay “coffre” izay sady ngeza no mavesatra, raha araka ny vaovao azo. Manaraka izany, tsy maintsy nisy fiara nitaterana azy ihany koa taorian’ny halatra. Mipetraka amin’izany rehetra izany ny fanadihadian’ny pôlisy ary miezaka mahafantatra ireo rehetra tao anatin’izany firaisana tsikombakomba izany. Raha tsiahivina dia vola mitentina 40 tapitrisa ariary no tao anatin’ilay fitoeram-bola, izay nanjavona tamin’ny herinandro lasa teo. Tokony ho tamin’ny roa maraina tany, izany hoe adiny roa na telo taorian’ny nidian’ny trano no nanao ny “opération” ireo niray tsikombakomba rehetra tamin’ny halatra. Tsy tao amin’ny toeram-pisakafoanana akory no nisy ny coffre fa tany amin’ny rihana faharoa, ary tao anatin’ny trano mihidy. Mazava ho azy fa efa fantatr’ireo olon-dratsy tanteraka izany pitsopitsony rehetra izany. Midika ihany koa izany fa olona tsy maintsy efa mahafantatra tsara ilay toerana ihany no atidoha nikotrika ity halatra ity…
D.R