vendredi, mai 23, 2025
AccueilÀ lireAnkazomanga : « Plaque rouge » nandona zaza dia nitsoaka

Ankazomanga : « Plaque rouge » nandona zaza dia nitsoaka

Ilay zazakely naratra

Tsy vitan’izany fa mbola nandeha « sens unique » koa ity fiaram-panjakana ity. Fiara tsy mataho-dàlana miloko fotsy no nahavàon-doza omaly ary nitsoaka avy eo. Raha ny fitantaran’ny olona dia fiara roa izy ireo no nivatravatra avy any nandeha ilay lalan-tokana teo amin’ny Boulevard de l’Europe izay hihazo an’Ankazomanga. Naratra ilay zazalahikely tokony ho enina taona no sady very saina. Endrika ratsy ho an’ny fanjakana ity nitranga omaly ity ary tokony hataony laharam-pahamehana ny fikarohana io fiara io sy ny mpamily. Iza no tokony hampihatra ny fanjakana tan-dalàna raha tsy ny fanjakana aloha? Toa tsy nisy resaka mihitsy anefa ity zava-nisy ity omaly ary mitady ho vitavita hoazy satria ve fiaram-panjakana? Mila ampiasaina avokoa ny sary rehetra azon’ny « camera de surveillance » sy ny teknolojia hafa. Mila manadihady koa ny minisitera isan-tsokajiny ary tsy manafina rehefa fantatra ny mpamily tompon’antoka. Izany no tokony hoizy amin’ny fanjakana tan-dalàna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Fanjakana tan-dalàna ahoana ? Tsy hitanareo angaha ireny plaque rouge feno ireny teny amin’ny CCI raha nanao kongresy ny Foza orana ! Lanto Rakotomanga hatramin’izao mbola ty any am_ponja foana ary mbola misy ihany ny ketrina sy dondrona manohana an’i Rainilainga Raindedaka !

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici