- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Plateforme Anjaramasoandro » : Nihaona manokana tamin’ny vondrona GEPAT

« Plateforme Anjaramasoandro » : Nihaona manokana tamin’ny vondrona GEPAT

Nisy ny fihaonana teo amin’ny vondrona GEPAT na « Vondron’ny Mpandraharaha eto anivon’ny Faritan’i Toamasina », sy ny teo anivon’ny « Vovonan’ny Anjaramasoandro » miasa amin’ny fanjariana ara-tsakafo eny am-piasana eto amintsika izay nijoro tamin’ny taona 2017 ary hivondronana orinasa 21 ankehitriny raha 12 teo aloha.

Nohazavain’Atoa Thierry Nohasiarivelo tamin’ireto mpikamban’ny GEPAT ireto tamin’izany ny fomba fidirana mpikambana eo anivon’ny vovonana, ka isan’izany ny fanajana ny fepetra napetraky ny firenana mikambana amin’ny fanajana ny zon’olombelona, ny tsy fampiasana zaza tsy ampy taona, ny tsy fanaovana tsolotra ary fanajana ny lalana misy.

Tena ilaina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa ity fandaharanasa « Sakafo any am-piasana » (nutrition au travail) ity ; satria tena hampiakatra ny vokatra vokarin’ny orinasa, ary hampihena ny tahan’ny tsy fahasalamana eo anivon’ny orinasa. Ny tena aretina mateti-pitranga amin’ny mpiasa tsy hamokarany dia ny tosi-drà sy ny voa ary ny diabeta. Azo sorohina amin’ny resaka sakafo tsara anefa ireo aretina ireto mba tsy hitrangany.

Ankoatra izay, dia tena ilaina ny asa mamokatra taorian’iny fihibohana nateraky ny valanaretina Covid-19 iny, ka mpiasa mamokatra lavitry ny aretina no tena ilaina amin’ny fanomezana ny sakafo ara-pahasalamana ho azy ireny.

Malala Didier

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici