Nandray fepetra henjana ny amin’ny fampihenana ny fitohanan’ny fiarakodia etsy sy eroa, ireo tompon’andraikitry ny kaomisaria rehetra eto an-drenivohitra sy ireo avy amin’ny faritra manodidina, nandritra ny fivoriam-be notanterahany omaly maraina. Fivoriana izay notarihan’ny Directeur de la Sécurité Publique, ny Contrôleur Génèral de Police Rakotondrainivonona Panöel Macaire, tao amin’ny efitrano fivoriana tao amin’ny Commissariat Central Tsaralalàna. Voaresaka tamin’izany, ny fandaminana sy fandrindrana ny fifamoivoizana mialoha sy mandritra izao fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, dia hoferana ny fivezivezen’ny kamiao mihoatra ny 15 Taonina eto andrenivohitra, manomboka amin’ny 9ora alina ka hatramin’ny 5ora maraina. Ho hentitra ihany koa ny polisy amin’ny tsy fanajana sy ny fijanonana ela amin’ny « arrêt » ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka taxi sy taxibe. Hamafisina ilay « Opération Dona Miala » ho an’ny Taxibe. Hisy ny fanasaziana ireo mpamily mafy loha tsy manara-dalàna.
Ornella A. (Stagiaire)