- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena

Polisim-pirenena

Tamin’ity herinandro ity dia nandray fepetra ny polisy mikasika ny takelaka mitondra ny laharan’ny fiara mifamezivezy. Tsy maintsy atao takelaka miloko mainty ny tokotaniny ary fotsy kosa ny marika.

Tsy ekena ny loko hafa ankoatra ireo ary atao mazava tsara sy hay vakiana. Tsy azo atao ihany koa ny fisiana kisarisary amin’ilay takelaka, toy ny kintana na sary hafa manaingo izany.

Misy ihany koa ireo mandoko fotsiny ireo laharana vahiny taloha ka lasa mifangaro, tsy hay vakiana, amin’ilay tena laharana misoratra eo amin’ny takelaka. Mampandre ary ny polisim-pirenena fa hilatsaka ny sazy ho an’ireo izay sahy mbola mandika izany amin’ny herinandro ho avy iny. Koa dia manentana azy ireo ny ao amin’ny polisy mba samy hanaja izany fepetra izany ka hanaraka izay voalaza tetsy ambony.

Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser