Miady mafy amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ny mpitandro ny filaminana indrindra ny polisim-pirenena tarihan’ny taleny eto Toamasina. Nahatratra sy nahasambotra tanora lahy sy vavy niisa 18 mpidoroka sy mpivarotra izany rongony izy izany izy ireo. Vaovao voaray avy amin’ny olona tsara sitra-po ny nahasamborana azy ireo, fa misy andian’olona mitahiry sy mivarotra rongony ao Ankirihiry, ka raikitra ny fisamborana. Ny kaomisaria avy ao “centrale” sy ny “camps des Manguiers” no nidina ifotony nisambotra ireto tanora. Tanora 18 nahitana vehivavy iray sy lehilahy 17 ireto voasambotra nandritra izany. Tratra tao anatin’ny trano koa ny “sachet plastique” iray feno rongony nandritra ny fasavana natao. Tena misy voka-dratsy ho an’ny fiarahamonina ny fidorohana ity rongony ity eto Toamasina, satria mampirongatra ny tsy filaminana sy ny herisetra samihafa. Tsy milefitra ao anatin’izany fanaparitahana sy fivarotana rongony ireo mpitandro ny filaminana.
Malala Didier





