Notanterahina androany sabotsy 14 martsa 2015 ny fambolen-kazon’ny fianakaviamben’ny Polisim-pirenena, teny amin’ny Tobin’ny Hery vonjy taitran’ny Polisim-pirenena eny Ambanitsena, izay notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard sy ireo mpiara-misa aminy akaiky.
Hazo kesika sy kininina ary hazo fihinam-boa moa no novolena tamin’izany, ka polisy miisa 220 no tonga nanatanteraka ny izany, avy amin’ny sampan-draharaha misy eo amin’ny minisitera foibe sy ny avy eo amin’ny F.I.P, ny kaomisarian’ny polisy rehetra eto Andrenivohitra ary ny avy ao amin’ny komisarian’Avaradrano, Alasora, Itaosy. Koa dia nisaotra an‘ireo polisy rehetra tonga nanatontosa izao fambolen-kazo izao ny minisitry ny Filaminam-Bahoaka. Tsy ny eto Antananarivo ihany, araka ny nambarany, no manao izao fambolen-kazo izao fa ireo polisy rehetra manera ny nosy no manao ezaka mahakasika an’ity fambolen-kazo ity, satria adidy atao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tamin’ny resaka nataon’ny minsitra tamin’ny mpanao gazety no nanazavany ny raharaha mafampana niseho teto an-toerana tato ho ato. Anisan’izany ny fahatratrarana an’i Bary Dominique namono ny mpandraharaha Rakotovao Andry, fakana an-keriny tany Toliara, fahatratrarana basy mahery vaika maro.
Amin’ireo zavatra rehetra ireo dia nilaza ny minisitra fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy famotorana ny polisy. Nampiany izany fa nahatsikaritra ireo mpanao famotorana fa saika misy itovizany avokoa ireo bala ampiasan’ny jiolahy amin’ny fanafihana rehetra miseho.
Nangonin’i r.s.