Mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 taona nijoroany ny COSPN na ny « Club Omnisport De La Police Nationale » amin’ity taona 2015 ity. Mandritra ity volana Novambra ity no hankalazana izany ka ny Zoma, 06 Novambra no hotanterahina ny fanokafana ofisialy, hifamotoana eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Polisy rehetra ka hiaraka hanao hazakazaka madinika hihazo ny Foiben’ny Polisim-pirenena Anosy. Hisy ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo Atleta nahavita be teo anivon’ny COSPN nandritra izay 25 taona izay sy fanolorana faneva ho an’ireo mpitantana ny COSPN. Hetsika ara-panatanjahatena hifaninanan’ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Polisim-pirenena no hiseho mandritra ity volana novambra ity, ka hohita amin’izany ireo taranja rehetra misy eo anivon’ny COSPN toy ny : baolina Kitra, basket ball, fibatana fonjam-by, hazakazaka. Ny 28 Novambra 2015 mandritra ny famaranana ny lalao baolina kitra eny amin’ny Kianjan’Alarobia no hatao ny lanonam-pamaranana.
Articles qui pourraient vous intéresser