- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Fifaninana hidirana ho “inspecteur” sy “agent”

Polisim-pirenena : Fifaninana hidirana ho “inspecteur” sy “agent”

Hisy ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy amin’ity taona 2016 ity ka mpianatra ho “inspecteur de police miisa 100 sy mpianatra ho “agent de police” miisa 650 no horaisina. Ny antsipiriany mikasika ity fifaninanana ity dia hatao peta-drindrina tsy ho ela amin’ireo Biraon’ny polisy manerana ny Nosy. Ireo mpiadina afaka tamin’ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho inspecteur sy agent de police natao farany teo kosa dia hiditra amin’ny 24 janoary 2016 izao any amin’ny sekoly any Antsirabe. Hisy ny fiofanana ara-miaramila miandry azy ireo mandritra ny 45 andro voalohany idirany ao amin’ny sekoly izay hilana tanjaka sy hery ara-batana sy ara-tsaina, ka mba ho fisorohana ny olana mety hiseho dia tsy maintsy miverina manao fizahana fahasalamana ireo mpiadina afaka ka mitondra “Certificat Medical d’Aptitude” avy amin’ny dokoteram-panjakana amin’ny fidirana. Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny fampitomboana isa ny polisim-pirenena mba hafahana mandrakotra polisy ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici