Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny tokony hametrahana fitoniana amin’izao ankatoky ny Fifidianana Filoham-pirenena izao, dia mahatsapa ny Polisim-pirenena Malagasy fa manana adidy sy tompom’andraikitra eto amin’ny Tanindrazany sy ny Firenenana. Na eo aza anefa izany, voafetra ihany izay azony atao noho ny maha Mpitandro Filaminana azy ireo. Noho izany, indrindra, hoy Rtoa Rafindrakoto Tatamo, mpanolotsaina manokana eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, no antony hanatanterahan’ny Polisim-pirenena Antsam-piderana lehibe ny sabotsy 06 oktobra ho avy izao ao amin’ny CEMES Antanimora manomboka amin’ny 02 ora sy sasany. Lohahevitra hitondrana ny hetsika ny hoe : « Antsa Fiderana ; Polisy mivavaka ho an’ny Fireneny, dia i Madagasikara ». Hiaka-tsehatra amin’izany ireo antoko mpihira misy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Koa manasa ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka saranga, na antokom-pinoana na fivavahana, na loko na firehana pôlitika ny Polisim-pirenena mba ho tonga hanatrika izao fotoan-dehibe izao. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-57 taona nijoroan’ny Polisim-pirenena izay efa natomboka tamin’ny voalohan’ity volana septambra ity izao hetsika izao.
T.M.