- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Manambohinahitra miisa 48 nasondrotra grady

Polisim-pirenena : Manambohinahitra miisa 48 nasondrotra grady

Ny Talen’ny fiofanana sy ny fikarohana Antanimora, Kaomisera Randriambelo Mandimbin’ny Aina, nasondrotra ho amin’ny gradin’ny “commissaire principale”.
Ny Talen’ny fiofanana sy ny fikarohana Antanimora, Kaomisera Randriambelo Mandimbin’ny Aina, nasondrotra ho amin’ny gradin’ny “commissaire principale”.

Polisy telo ho an’ny mponina 1000, mbola tanjona lavitra ezaka raha ny voalazan’ny ministry   ny Filamim-bahoaka. Raha ny eto amintsika dia ny mifanohitra amin’io fenitra takiana io no misy, satria dia pôlisy iray ho an’ny mponina 3000. Mba hanatrarana io fenitra iraisam-pirenena io dia hisy ato ho ato ny fandraisana ho pôlisy maromaro, araka ny fanazavana nomeny hatrany. Mandra-pahatonga izany fandraisana mpianatra maromaro izany anefa, tsy maintsy hatevenina ny isan’ireo manamboninahitra hibaiko ireo pôlisy vaovao ireo. Eo amin’izay resaka izay indrindra, tontosa omaly tetsy amin’ny tobin’ny Fip Antanimora ny fametrahana ny galona vaovao ho an’ireo manamboninahita miisa 48 avy ao amin’ny pôlisim-pirenena. Fito tamin’izy ireo no nasondrotra ho « Contrôleur général », roa tamin’izany no vehivavy. 21 kosa no nahazo ny gradin’ny “Commissaire divisionnaire” efatra tamin’izy ireo no vehivavy. 11 tamin’ireo manamboninahitry ny pôlisim-pirenena ireo kosa no nasondrotra ho amin’ny gradin’ny « Commissaire principale », izay tsy nahitana afa-tsy vehivavy tokana. Ireo sivy ambiny kosa dia napetraka eo amin’ny toeran’ny “Commissaire de police, 1er classe”. Lanonana ara-miaramila, teo ambany fiahiana sy notarihin’ny ministry ny Filaminam-bahoaka, niaraka tamin’ireo manamboninahitra teo anivon’ny fianakaviam-ben’ny pôlisim-pirenena.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser