- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena Mangarano Toamasina : Tovolahy roa voasambotra nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika

Polisim-pirenena Mangarano Toamasina : Tovolahy roa voasambotra nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika

Voasambotry ny kaomisaria ao Mangarano tovolahy roa mpivarotra sy mpihazona zava-mahadomelina mahery vaika, “Cocaine”. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny olona mpiara-miasa aminy izay tsara sitra-po nanome ny vaovao marim-pototra nahatrarana azy ireo ny polisy. Izay no nahatrarana ny iray tao Ambohijafy, fa ilay faharoa kosa tao amin’ny kianja Lemalady. Tena vela-padrika goavana no natao nahazoana azy roa lahy ireto, ka izao voasambotra soa aman-tsara sy efa miatrika fakana am-bavany azy izao ary hiakatra fampanoavana afaka fotoana foana. Tsy ireo zava-mahadomelina milanja 06g, izay efa an-tapitrisany ny vidiny, teny amin’izy ireo izay efa vita anaty fonosana no sarona, fa mbola nahatrarana zava-mahadomelina koa tany an-tranon’izy ireo. Milaza moa ny polisim-pirenena fa tsy manaiky mihitsy ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina vahiny, “Cocaine”, ity izy ireo; miezaka mafy miady amin’ireo kolikoly mahatsiravina ao anatiny izy ireo, mba tsy hahapotika ny tanora malagasy sy firenena mihitsy. Miantso ny rehetra manam-baovao hatrany ny polisim-pirenena amin’ny fanomezam-baovao marim-pototra, mba hahafahana mifehy sy misambotra ireo mpanaparitaka izay faran’izay haingana mba tsy hahapotika ny tanora malagasy ireny zava-mahadomelina ireny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici