- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Nahavita fianarana ny andiany LAFATRA

Polisim-pirenena : Nahavita fianarana ny andiany LAFATRA

Tontosa ny zoma 30 janoary 2015 teo, ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpianatra ho polisim-pirenena nanovo fiofanana tao amin’ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra Antsirabe, na ny ENSOA. Misalotra ny anarana « LAFATRA » ity andiany nivoaka ity, ka 351 no isan’ireo polisy hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa ankehitriny, 301 “agent de police ary 50  kosa no nivoaka ho « inspecteur ». Isan’ny nampiavaka ity  andiany « lafatra » ity, ireo mpianatra 54 nahavita fiofanana manokana mikasika ny hery vonjy taitra, ka notolorana galona manokana. Ankoatra izay ny nanokanana ny efitranom-pilanonana lehibe ho an’ny polisim-pirenena antsoina hoe  « lac Tritriva » ao amin’ity sekoly ity hatrany. Nandritra ny lahateny nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka Randimbisoa Blaise Richard no nahafantarana fa nahatratra 75 isan-jato ny tahan’ny vina ny taona 2014 ka ezahina ho mahery ny 80 % izany amin’ity taona ity. Isan’izany moa ny ady amin’ny kolikoly, izay notsipihany mazava tokoa, ny fampanajana ny fitsipika ary indrindra ny ady amin’ny jiolahy. Tsy misy fandrosoana vanona, hoy hatrany ny tenany, raha toa ka miaina anaty tsy fandriampahalemana ny vahoaka.

Fantatra moa fa hampitomboina avo roa heny, izany hoe 650, ireo mpianatra ho polisim-pirenena horaisina  amin’ity taona ity. Izany no hatao dia mba hanakaikezana kokoa ny vahoaka.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser