- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Nahazo môtô efatra amin’ny orinasa tsara sitrapo

Polisim-pirenena : Nahazo môtô efatra amin’ny orinasa tsara sitrapo

Môtô vaovao miisa efatra marika Haojue, miteti-bidy eo amin’ny 8 tapitrisa ariary mahery teo no natolotra orinasa iray tsara sitrapo avy etsy Behoririka, ho an’ny polisim-pirenena omaly. Entina hanampiana ireo fitaovana ampisain’ireto mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahana ny asany manoloana ny fandrindra ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ireto fitaovana ireto raha ny voalazan’ny ministry ny filaminam-bahoaka, nandray izany teny amin’ny toeram-piasany, teny Anosy, amin’ny anaran’ny Polisim-pirenena. Nanantitra ny teny fisaorana ho an’ity orinasa ity ihany koa ny ministra nandritra ny kabary nifandimbiasana. Ilaina tokoa, hoy ny teniny ny fisian’ny fanomezana fitaovana avy amin’ny malala-tanana toa izao, satria tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery ny fampandriana fahalemana eto amin’ny firenana fa mila ny fifanampian’ny rehetra. Nanambara ihany koa izy fa ilaina ireo fitaovana ireo entina hanantanterahana amin’ny antsakany sy andavany ny asan’ny pôlisy fa indrindra ho fanatratrarana ny vinan’izy ireo dia ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny asan-jiolahy ary ny fanamafisana ny fitsipika mifehy ireo pôlisy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser