Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena ho fanantanterahana ilay antsoin-dry zareo hoe Rapid Result Initiative (RRI). Omaly zoma faha-20 novambra, nidina ifotony ireo tompon’andraikitra maro notarihin’ny sekretera Jeneralin’ny minisitera ny Contrôleur de police Razafimanantsoa Aimé Tantely niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy akaiky, nahitana indrindra ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria Tsaralalana, ny tompon’andraikitra USI sy SAG ary ireo kaomisera eto amin’ny boriborintany faha-4, faha-5, faha-6 ary faha-7. Nojerena manokana tamin’ity fidinana ity ny momba ny fitohanan’ny fiara amin’ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-4. Tsy nohadinoina ihany koa ny nandeha teny amin’ireo toerana mafana amin’ny resaka endaka sy ny fangaronam-paosy. Maro ny toerana ahitana ny asa ratsin’ny jiolahy toy ny eny amin’ny Filatex Tanjombato, Ankadimbahoaka , Anosy, Andavamamba (arrêt bus akaikin’ny fiangonana), Cenam (arrêt-bus fokontany), 67HA, Ampasika ary Andranomena. Ireo toerana ireo izay sady misy fitohanana fiara no ahitana mpanendaka ihany koa .
Omaly, nojeren’ireo tompon’andraikitra manokana ny antony mahatonga ny fitohanan’ny fiara amin’ireo faritra voalaza ireo. Ohatra eo Anosy anoloan’ny biraon’ny boriborintany fahaefatra; izay ahitana fiara mijanona an-tsisin-dalana (parking), ny lalana tokony hahazaka fiara telo rehefa tonga any amin’ny Kaly Gasy dia lasa iray noho ny fisian’ireo fiara mijanona ireo hatreny amin’ny faritry Tsarasaotra. Mikasika manokana ireo mpanao sinto-mahery eny Ankadimbahoaka, arrêt-bus Andavamamba, Cenam 67ha, arrêt-bus Vatobe eo alohan’ny Havana dia misy ny fiaraha-miasa amin’ireo fokontany amin’ny famongorana azy ireo. Misy ihany koa ireo polisy manao fanamiana sivily hanatrarana azy ireo eo am-panaovana ny asa ratsiny.
Araka ny vaovao moa, natao izao fidinana ifotony izao handraisana fepetra mba hahafahan’ny olona miaina ara-dalàna sy hifamezivezen’ny olona araka ny tokony ho izy, indrindra manoloana izao fetin’ny faran’ny taona izao.
nangonin’I r.s.