- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Taona 2014, polisy 23 voasazy

Polisim-pirenena : Taona 2014, polisy 23 voasazy

Nivoaka ny « bilan » taona 2014 mahakasika ny fandraisana andraikitra sy ny asa vita teo anivon’ny polisim-pirenena. Fantatra tamin’izany fa nisy polisy miisa 23 nandalo teo anatrehan’ny « conseil de discipline », noho ny tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny asan’ny polisy.  Mitsinjara ho toy izao izany : commissaire roa, officier de police 4, inspecteur de police 6 ary brigadier de police 11. Izay ny amin’ny fanasaziana. Fa nahitam-bokany koa ny asa vitan’ny polisy tamin’ity taona ity. Eo amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana dia basy miisa hatrany amin’ny 508 no tratra, ka revolver 5, PA 36, basim-borona 367. Nisy bala maro dia maro koa tratra, ka 9 no voalaza fa mahery vaika, 4 804 bala tsotra miampy grenady 7 ary cocktail Molotov 3.

Amin’ny ady amin’ny fianahan’ny zava mahadomelina indray dia misy koa ny tarehimarika voaray. Mahatratra 536 ny olona voarohirohy ary notanana am-ponja ny 457. Rongony 1 676,71 kg no sarona, miampy menaka rongony 9,5 litatra ary Héroine 1,211 grs sy cocaine  66 grs. Anarivony litatra koa ny toaka voarara nogiazana.

Hita ao anatin’ny terehimarika koa ny hetsika maro, toy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona, ny fandikan-dàlana ara-toekarena, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fivezivezen’ny omby sy ny zavatra maro hafa. Ankoatra ireo dia misy koa ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny polisy ary fanatevenana ny hoenti-manana izany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser