Nanao ny tatitra ny asany nandritra iny taona nivalona iny ny talen’ny filaminam-bahoaka teto Toamasina. Nandritra izany no nilazany, fa nisy basy 20 saron’izy ireo tamina jiolahy ka ny 04 tamin’izany dia kalaky saron’izy ireo tamin’ireo mpanao fakana an-keriny avokoa. Nisy koa basy PA vita gasy niisa 08 sy basy kalaky vita gasy niisa 04 sarona tamin’izany.
Tao anatin’izany, dia nisy tranom-bala niisa 15 sy bala 200 koa saron’ny polisy, ka niisa 152 tamin’izany dia bala kalaky avokoa. Araka io tatitra nataon’ny talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana io hatrany dia nisy rongony nilanja 56kg koa saron’izy ireo ny taona nivalona iny. Ny taona nivalona 2019 iny koa, dia fitarainana sy fitoriana ary fitorohana niisa 4.108 no voarain’ny polisim-pirenena tamin’ireo kaomiseriany miisa efatra eto Toamasina, ka ny 2.178 tamin’izany no vita fakana am-bavany sy fanadiadiana lalina. Raha niakatra fitsarana ireny raharaha ireny araka io tatitry ny polisy io ihany dia niisa 1.196 ireo naiditry ny fitsarana am-ponja vonjimaika, raha teo amin’ny 904 kosa ireo nafahana alohan’ny fitsarana ny raharaha noho ny resaka porofom-panenjehana. Raha ho an’ny polisy teto Toamasina dia niisa 200 teo izy ireo no niasa nandritra ny fetin’ny faran’ny taona izay mbola mitohy amin’ity volana janoary ity izay fotoana hivoahan’ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina farany teo ; izay ataon’ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana.
Na izay aza ny isan ‘ireo polisy niasa nandritra ny fety dia tsy nahasakana ireo maty voatsindrona antsy tao Ankirihiry sy ilay miaramila vaky loha niady tao anaty trano fisotroana tao Mangarivotra ary ireo olona 11 naratra saika vaky loha vokatry ny ady avokoa izany teto Toamasina, nandritra ny fety niditra hopitaly be izany.
Malala Didier