Niantso mpanao gazety ny teo anivon’ny kaomisarian’ny polisim-pirrenena misahana an’i Toamasina renivohitra, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ireo kaomisera namany misahana ireo boriborintany roa eto Toamasina, ary ny Fip, mikasika ny hetsika entin‘izy ireo hifehezana ny tsy filaminana mandritra ny fetin’ny krismasy ny zoma izao. Nambara fa polisy miisa 350 no indray ahetsika mandritra izany, ka ao ireo polisy misahana ny fifamoivoizana, satria miha betsaka ny fitohanana noho ny fety. Ao ny polisy misahana ny fokontany mba hahafahan’ny olona mankalaza ny fety am-pilaminana, ao ny polisy misahana ny hery vonjy taitra izay tsy mihetsika raha tsy misy ny fiantsoana vonjy ataon’ny olona, ary ao ny polisy manara-maso ireo fiangonana samihafa sy ny tsena ary ireo toeram-pilanonana samihafa. Voamarika ihany koa ny hetsika manokana hataon’ny “Brigade feminine de Proximité”, amin’ny fisahanana ny lalam-pirenena faharoa sy ny lalam-pirenena fahadimy, amin’ny fanaitairana ireo mpamily fiara amin’ny fanajana ny lalan’ny fifamoivoizana, sy ny tsy fametrahana zavatra saro-bidy sy raso-pady ao anatin’ny fiara raha sendra tsy ao izy ireny. Ankoatra izay dia nilaza koa ny kaomiseran’i Toamasina renivohitra, fa ampitomboina ny isan’ny polisy misahana ny filaminam-bahoaka ao anaton’ny fetin’ny faran’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao, satria tena hita fa tia fety ny vahoakan’i Toamasina, ka natao hiaro azy ireo amin’ny tsy filaminana , sy ny lozam-pifamoivoizana an-drenivohitra ny polisy.
Malala Didier