- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversPôlisin’ny harena an-kibon’ny tany : Hanome fiofanana ireo mpitrandraka volamena any Betsiboka

Pôlisin’ny harena an-kibon’ny tany : Hanome fiofanana ireo mpitrandraka volamena any Betsiboka

Manjaka loatra ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana volamena. Mazàna dia ny tsy fahaizan’ireo mpisehatra volamena ny lalàna velona sy misy eto amintsika no mahatonga izany. Eo anatrehan’izany mihitsy no nahatonga ireo tompon’andraikitra hanome fiofanana ireo mpisehatra ao anatin’izany resaka volamena izany. Ny faritra Betsiboka iny no nanombohana izany fiofanana izany, ary ny fampahafantarana ny lalana no laharam-pahamehana amin’izany. Efa nanomboka tamin’ny voalohan’ny taona ity fampiofanana omen’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny resaka volamena. Mpitrandraka, mpividy, mpanangona maro no efa nahazo izany, ary efa manodidina ny 20 eo izany no vita. Amin’izao dia ao amin’ny distrikan’i Kandreho sy Tsaratànana ireto mpampiofana amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’ity fampiofanana ity, hoy ireo tompon’andraikitra, ny mba hahafantaran’ny rehetra ny lalàna mahakasika ny resaka volamena ary ny hanarahan’ny rehetra izany, indrindra fa any amin’iny faritra Betsiboka iny, izay iaraha-mahalala fa maro mpitrandraka volamena. Aorian’ny fiofanana kosa, raha ny fanazavàna azo, dia tsy handefitra intsony ireo tompon’andraikitra ho an’ireo izay mbola minia tsy manaraka sy mivoaka ny vala ary ho avy tokoa amin’ny angady sy ny harona, na amin’iza io na amin’iza.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici