- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversPolisin’ny sendikà nafindra toerana : Nolavin’ny Conseil d’Etat ny fangatahan’izy ireo

Polisin’ny sendikà nafindra toerana : Nolavin’ny Conseil d’Etat ny fangatahan’izy ireo

Omaly no niakatra teo anivon’ny tribonaly  misahana ny ady amin’ny fanjakana ny raharaha; izay mahakasika ireo polisy efatra mitaky ny hanafoanana ny fanapahan-kevitra izay mahakasika azy ireo. Tsy inona izany, fa ny famindrana toerana ireo mpitandro ny filaminana eo anivon’ny polisy ireo rehefa nanao fitakiana maromaro; izay tsy nety tamin’ny minisitera tamin’izany fotoana izy ireo. Ny voalohany, dia ny fitakiana ny tambin-karama izay mifandraika amin’ny risika isan’andro izay mifandraika amin’ny asa. Ny faharoa, dia ny fitakiana ny tambin-karama izay mahakasika ny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa izay tsy mba azon’izy ireo. Miasa eo anivon’ny kaomisarian’Itaosy;  ny boriborin-tany voalohany etoTanà; ny kaomisarian’Antsirabe ary ao amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo olona voakasika. Milaza ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana mpandrava didy izy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici