- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversPolisiy Monispaly Antsirabe : Nankalaza ny faha- 20 taona nisiany

Polisiy Monispaly Antsirabe : Nankalaza ny faha- 20 taona nisiany

Feno 20  taona katroka ny 17 janoary 2017 teo, ny nijoroan’ny polisy monosipaly teto Antsirabe. Nisy ny fanamarihana ity jaobily faha- 20 taona ity, ny Talata 17 janoary teo. Raha tsiahivina fohy dia io daty io no nijoroan’ity rafitra ity voalohany teo amin’ny kaominina Antsirabe, marihina aza moa fa teto Antsirabe no nitsangana voalohany izany polisy monisipaly izany  teto amin’ny Nosy izay vao nanaraka Antananarivo sy Fianarantsoa. Tamin’ny fitantan-Rtoa Voahangy Rakotondrainibe, ben’ny tananan’Antsirabe  na i Neny no amantaran’ny maro azy no nitsanganan’ny polisy monisipaly voalohany. Nanaraka fiofanana volana maro, toy ireny polisim-pirenena ireny  mihitsy ireo polisy monisipaly tamin’izay fotoana ary  bakalorea no mari-pahaizana notakiana nafahana niditra tamin’izany. Taorian’ny fitondran’i Neny no nisedra olona maro ireo polisy monisipaly, nisy fotoana mihitsy aza no efa novana AMM na “Agent Mobile de Municipalité” ny anaran’izy ireo tamin’ny fitondran’ny Arema, saingy niverina ho polisy monisipaly ihany izany taty aoriana.

Mandritra izao fankalazana ny faha- 20 taona izao, dia nambaran’ny ben’ny Tanana Paul Razanakolona fa haverina hanaraka fiofanana indray ny polisy monisipaly ary hanao ny fianianana, misy 42 amin’izao ny polisy monisipaly eto Antsirabe. Maro tamin’ireo trainainy kosa no efa lasa mpiasam-panjakana ambony sy zandary ary polisy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici