- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversPôlisy : Basy 197 sarona tamin’ny 2013

Pôlisy : Basy 197 sarona tamin’ny 2013

Nahatratra 44 ny P.A sarona tao anatin’izany. (sary tahiry)
Nahatratra 44 ny P.A sarona tao anatin’izany. (sary tahiry)

Voamarina tanteraka ny fiparitahan’ny basy teto amin’ny Nosy. Izany dia manazava ihany koa ny fisesin’ny asan-jiolahy mitam-basy nandritra iny taona 2013 iny, indrindra fa teto an-drenivohitra. Raha ny tarehimarika navoakan’ny pôlisy dia nahatratra 197 ny basy saron’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Izany dia niaraka tamin’ny bala  94.568 , raha araka ny fanamarihana hatrany. Basim-borona no tena maro tamin’ireo, satria nahatratra 167 no nogiazana. Nisy “revolver” dimy ihany koa, ankoatra ny “pistolet automatique” (P.A) izay tafakatra 44 no tratra. Betsaka ihany koa ny “kalachnikov” sarona, enina no isany raha araka ny tarehimarika nomen’ny pôlisy. Ampahany amin’ny basy mbola mandehandeha eran’ny tanàna ihany ireo sarona ireo. Hatreto mantsy dia mbola saika miaraka amin’ny fitaovam-piadiana hatrany ny jiolahy rehefa manatontosa ny asany. Na halabotry aza no tontosain’izy ireny, saika misy basy an-tànana hatrany. Ny tena andrasan’ny olona dia ny mba hahafantarana ireo izay mety ho mpamatsy basy. Mazava hoazy fa hitarika ny amin’ny famaizana azy ireny izany hetahetan’ny daholobe izany. Raha ny marina mantsy dia mionona fotsiny eo amin’ny fahatratrarana ireo basy hatrany ny fanadihadiana fa tsy lasa lavitra ka tonga any amin’ny tena tompony, ireo mpampanofa na koa ireo izay mety ho toby nivoahany. Tsy hijanona hiparitaka ny basy raha tsy ireo karazan’olona ireo no voasamboatra ka hiharan’ny lalàna manan-kery. Handrasana ny mety ho fiovana amin’izao taom-baovao izao, satria mijaly loatra ny olona noho ny afitsoky ny olon-dratsy mitam-basy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser