Anisan’ny pôlitikan’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka tato anatin’ny taona vitsivitsy izay ny hoe “polisy manakaiky ny vahoaka”. Tsy mijanona ho drafitra ambony latabatra fotsiny io tetik’ady iray io, raha ho an’ity Kaomisera Randriamparany Ted Steven, lehiben’ny kaomisarian’Analakely ity. “Azo lazaina, hoy izy, fa isan’ny avokavoky ny renivohitra sy ny firenena mihitsy eto Analakely. Fokontany sivy no hiandreketako eto, ary saika hita ao anatin’izany avokoa ireo toerana stratejika rehetra, banky foibe, ministera, lapam-panjakana, lapan’ny tanana sy ireo seham-pihariana goavana. Noho izany rehetra izany dia tsy azo tsinontsinoavina mihitsy ny resaka filaminana eto”. Ny fitandroana izay filaminana izay anefa dia mila paik’ady matotra fa tsy azo atao bontolo sy hampiasàna fahefana na herim-pamoretana. “Eo no mihatra ilay pôlisy manakaiky vahoaka. Midina ifotony foana izahay, manatona ireo vahoaka , miresaka amin’izy ireo : mihaino, mifanakalo hevitra, miara-mitady vahaolana ary miara-mampihatra izany. Ireo izay minia mbola mandika sy mihoa-pefy sisa no tsy maintsy handraisana fepetra sy faizina. Raha tsy manakaiky ny vahoaka ihany koa mantsy izahay, tsy hisy vokatra ho azo mihitsy. Izy ireny mantsy no loharanom-baovao ahafantarana ny zava-misy rehetra eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny”. Misy fotoana moa dia manamboninahitra ity mihitsy no mirotsaka eny an-toerana, mandamina ny fifamovoizana, mampianatra ireo olona amin’ny fanajàna ny fahadiovana, fiampitàna arabe, sns. Marihana fa efa-bolana teo izay no nifehezany ity kaomisaria ity ary efa azo tsapain-tanana sahady ny vokatra. Milaza miara-mahita rahateo ireo olona teny amin’iny faritra Analakely iny nanontanianay.
m.L