
Mahomby tanteraka ilay paik’ady : polisy manao fanamiana sivily ary alefa eny amin’ny toerana be olona. Mbola voaporofo koa izany tetsy Atsimondrano, ny marimarina kokoa tetsy Andoharanofotsy. Nisy polisy tao anaty taxi-be zotra 137 ary nipetraka tsara toa ny olon-drehetra. Nisy mpangarom-paosy koa tao fa tsy nahatsikaritra izany. Nanao ny asany ny mpanao ratsy dia nanao ny asany koa ny mpijoko, toa ireny adin’ny saka sy voalavo ireny. Hitan’ilay polisy ny nangalan’ilay mpangarom-paosy ny findain’ny ramatoa iray, nipetraka tsara tao anaty paoketra izany kanefa azon’ilay olon-dratsy ihany. Tsy tao anaty taxi-be anefa no nandeha ny fisamborana. Nandefa hafatra moramora tamin’ny polisy izay handalovan’ilay taxi-be manaraka, izany hoe ny fiantsonana manaraka. Nosakanana ny fiara, notampenana ny fivoahana ary nosavaina ilay lehilahy. Sady tsy afa-nanohitra intsony no tsy afaka namely. Ny antony dia satria tratra teny aminy ilay finday. Noraisim-potsiny ary nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy mba hanokafana fanadihadiana. Misy fahombiazany hatrany ny fanaparitahana polisy manao fanamiana sy sivily. Efa betsaka ny vokatra mifanandrify amin’izany ary mendrika hotohizana mba hiadiana amin’ny mpanao ratsy izay very hevitra amin’ity paik’ady vaovao ity satria tsy tao anatin’ny eritreritr’izy ireo ny fomba hialàna aminy hatreto. Saingy mipetraka ny fanontaniana hoe, haharaka izany ve ny isan’ny polisy ka hahavita hanohy mandritry ny fotoana tsy voafetra?
D.R