Herinandro talohan’ny nanombohan’ny famonjana vonjimaika azy teny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy, entina ao Anosy anio ilay polisy voarohirohy amin’ny vonoan’olona. Hohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana izy ao anatin’ny fanadihadiana lalina. Manaraka an’io izany dia mety handeha ny raharaham-pitsaràna an’ity polisy nomen’ny mpanara-baovao ho « Tsy matimanota » ity. Izy io dia ilay polisy izay voarohirohy nahafaty olona teny amin’ny 67ha rehefa tao anatin’ny fisotroana niaraka. Nitory ny havan’ny maty ary nosamborina izy. Nohadihadiana ary nandritry ny « garde à vue » dia mbola nitsoaka ihany saingy voasambotra teny Ambatofotsy. Malaza ratsy ho mpanampatra fahefana sy mpikasi-tànana olona. Betsaka ny mpivarotra nijoro vavolombelona tamin’ny tambajotra sosialy fa tsy naloany ny vola rehefa azony izay entana nilainy. Ny épicerie sy bar no tena matetika voany amin’izany. Etsy ankilan’izany, tsikaritra ho mandeha haingana be ny fikirakirana ny dosie momba azy. Matetika mantsy amin’ny raharaha mahakasika fahafatesana ohatr’itony dia tena lanian’ny fitsaràna hatramin’ny farany ny fetran’ny fitànana am-ponja vonjimaika (MD) izay vao mandeha ny fanadihadiana lalina sy ny raharaham-pitsaràna. Ity kosa latsaky ny folo andro dia efa mandeha ny fanadihadiana lalina ary nahataitra ny fianakavian’ny maty izay sady faly fa handeha ny fitsaràna, no sahirana ihany koa satria toa haingana loatra.
D.R