Koa satria mbola tsy misy mangirana aloha ny amin’izay mety misy ny ofisie Tantely izay miasa eo anivon’ny compagnie urbaine d’intervention (CUI), sampana iray izay eo ambany fiadidian’ny kaomisaria foibe, dia ny vadiny aloha no niharan’ny rihitra. Notazomina eo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy miadidy ny heloka bevava io ramatoa io efa ho roa andro izay. Alaina am-bavany ao ny tenany, raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Saingy kosa, amin’ny lafiny iray, dia azo lazaina ary efa fanaon’ny mpitandro ny filaminana ihany izany, fa fomba iray hanerena ny olona karohina mba hitolo-tena izany. Asa anefa raha hisy vokany izany amin’ity raharaha ity. Raha sanatria ka tsy mitolo-batana ny voakasika dia azo heverina fa olona efa vonona tanteraka hivaro-panahy noho ny vola. Voalohany mantsy dia efa nohadinoiny ny maha-polisy azy ary nivaona tanteraka tamin’izany asa no nataony rehefa nanatontosa fanafihana mitam-basy izy. Tetsy Antsahavola, teo amin’ny hotely Sakamanga, raha tsiahivina fohy, no nanafika teratany Srilankais izay nitondra volamena milanja dimy kilao, ity polisy ity. Tsy izy ihany fa mbola misy inspektera iray koa ahiana mafy ho niara-nanatontosa taminy io asaratsy io. Niaraka tsy hita popoka izy roa lahy rehefa vita ny asaratsy. Ny basy iray no hita ary io dia natsipy fotsiny toa an-tokontanin’ny tranon’ilay ofisie. Asa izay mba tena eritreriny tamin’izany. Ny mampalahelo dia ny vady izay heverina fa mety tsy nahafantatra akory izay zava-niseho no niharan’ny rihitra rehetra rehefa nahitàna basy teo an-tokontany. Fantatra koa fa efa hita ny fiara Renault 21 izay isan’ny fitaovana nampiasain’izy roa lahy nandritra ny fanafihana. Nogiazana eo anivon’ny sampana mpanadihady ny heloka bevava izany. Komisera iray no tompon’io fiara io. Ny zavatra tsara dia tsy ahiana mihitsy na ny kely aza ny mety hisian’ny kiantranoantrano amin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Porofo iray lehibe mantsy ny namoahan’ny polisy fampilazàna fikarohana ilay ofisie, nanomboka ny alarobia teo. Efa miparitaka manerana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana manerana ny nosy ny sariny. Ny azy irery ihany aloha, na izany aza, fa tsy misy ny an’ilay inspektera izay niara-tsy hita taminy. Manodidina ny efatra miliara eo ny teti-bidin’ireo volamena (lingot d’or ) izay lasan’ireo olon-dratsy.
D.R