- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversPôlisy sy zandary : Lasa sahy mifampisambotra

Pôlisy sy zandary : Lasa sahy mifampisambotra

Niteraka resa-be, tsy teo amin’ny samy mpitandro ny filaminana ihany, fa teo amin’ny olon-tsotra koa ilay fipoapoaham-basy tetsy Mahamasina ny zoma lasa teo. Raha tsiahivina dia nisy fisamborana olona maromaro teo an-toerana, rehefa narahin’ny pôlisy avy ao amin’ny BC satria nahiana ho nitondra fitaovam-piadiana. Nisy zandary tao anatin’ireo voasambotra, hany ka voatery nifanatona ny lehiben’ireo vondrona roa tonta mba handaminana ny raharaha. Samy manana ny filazany ny roa tonta. Ny avy ao amin’ny pôlisy dia nilaza fa, efa narahina ireo olona ireo ary raha araka ny “renseignements” momba azy ireo dia manana fitaovam-piadiana izy ireo. Tao anaty fiara efatra izy ireo no nijanona, teo anoloan’ny lapan’ny fanatanjahantena. “Tsy maintsy mafimafy ny fisamborana satria ny vaovao azonay dia nanambara fa nisy fitaovam-piadiana izy ireo. Manarak’izany ihany koa, olona maromaro no indray niaraka. Amin’ny toe-javatra toa ireny dia tsy maintsy indray raofina avokoa aloha dia any amin’ny fanadihadiana vao fantatra izay iray tendro na tsika” raha araka ny fanazavana azonay tamin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny pôlisy. Ny teo anivon’ny zandary indray dia nanamafy fa na efa nisy aza ny fampisehoana karatra maha-mpitandro ny filamiana ireo olon’izy ireo, izay raha araka ny fanazavana dia avy nanao fifaninana volley-ball, dia mbola nosamborina ihany. Marina fa efa votsotra avokoa ny ankamaroan’ireo olona nosamborina, izay natao nihohoka tamin’ny tany raha tsiahivina ihany, nefa na izany aza dia mbola ankamantatra ihany ny tohiny. Ny zava-misy aloha amin’izao fotoana izao dia tsikaritra fa tsy arahina intsony ilay antsoina hoe “protocole d’accord” eo amin’ny roa tonta. Teo amin’ny fitondràna tetezamita dia nisy fifanarahana fa tsy afaka mifampisambotra izy ireo ary ny fanadihadiana ihany koa dia tsy hatolotra ny vondrona misy izay mpitandro ny filaminana voakasika. Tamin’ity taona ity izao dia efa nisy ny pôlisy izay nosamborin’ny zandary ary nohadihadiana noho ny resaka heloka bevava. Dia izao koa dia nisambotra zandary ny avy etsy Anosy. Tsy dia misy maharatsy an’izany ihany raha mahakasika ny fampiharana ny lalàna. Saingy hanaiky izany ve ny naman’izay voasambotra? Raha tsy izany dia tokony haverina harahina ny “protocole d’accord”. Mety fanahiana ny momba izany rehetra izany angamba no nahatonga ny lehiben’ny iray amin’ireo vondrona ny nanome baiko ny olony omaly mba tsy hampiasana basy fahatany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser