- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPolisy voatifitra teny Salazamay : Navotsotra ilay mpamily taorian’ny fakana am-bavany azy

Polisy voatifitra teny Salazamay : Navotsotra ilay mpamily taorian’ny fakana am-bavany azy

“Avo lenta ny toe-draharaha ka lasa mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fandriampahalemana eto Toamasina, inona no tena marina amin’ity andian-jiolahy mitifitra olona ity, amin’izay izy ireo indray no miliba.”, izay no ambentin-tenin’ny olona maro eto Toamasina amin’izao, hatramin’ny nahafaty ny BCP Toto Martial, izay lavon’ny balan’ireo jiolahy teny amin’ny lalana mihazo ny lycée Jacques Rabemananjara iny, raha avy naka ny volan’ny tobin-tsolika Shell teny Ambohijafy haterina eny amin’ny banky. 

Raha ny fandaharam-potoan’ny fianakaviany dia ny alahady teo no nentina nihazo ny fasan-drazany any Fenerivo atsinanana ny razana, ary vita ny alatsinainy teo ny fandevenana ilay polisy maty. Araka ny angom-baovao natao koa dia efa navotsotra ilay mpamily izay tombanana ho mety ny angom-baovao nahatonga ny fanafihana; fantatra ihany koa fa naverina taminy nandritra izany ilay finday nanaovana fitsirihana nalaina taminy nandritra ny fanadihadiana natao taminy. Ny nampanahy ny mpanao fanadihadiana mantsy dia tsy voakitika mihitsy ity mpamily ity nandritra ny fanafihana, fa ilay polisy ihany no niharan’ny bala nandritra izany. Araka ny angom-baovao sy ny fanamarinam-baovao natao dia ny fisiana tsindry izay voalaza fa avy amin’ny olona ambony avy eto Antananarivo no nahatonga ny famotsorana ilay mpamily sy ny findainy. Raha mitohy foana ny tahaka izao dia hifarana hatreo ny fikarohana ireo andian-jiolahy namono polisy ireto. Nambaran’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia miasa mafy ny mpitandro ny filaminana ka tsy maintsy ho tratra ireo nahavanon-doza namono polisy ity. 

Ny zavatra hangatahan’ireo mpanao fanadihadiana sy fikarohana tarihan’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia ny fifanampian’ny rehetra amin’ny fanomezam-baovao azy ireo. Ny olana amin’izao dia ny filatsahan’ny baiko sy tsindry avy any ambony, ka ahiana ny hahamaty momoka ny ezaka efa natomboka rehetra.

Malala Didier 

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici