- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-Divers"Porno" amin'ny facebook : Nosamborina ilay ramatoa mpampiasa tovovavy

« Porno » amin’ny facebook : Nosamborina ilay ramatoa mpampiasa tovovavy

Vola mitentina 300.000ariary ka hatramin’ny 600.000ariary no azon’ity vehivavy tompon’andraikitra amin’ity asa mamoafady ity, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy izy mivantana akory no manao ny horonantsarimihetsika fa manakarama tovovavikely izay manodidina ny 16 taona izy. Hampanaovina fihetsika mamoafady na koa firaisana ara-nofo izay indraindray dia miaraka amin’ny teratany vahiny. Isan’ny miparitaka ao anaty Facebook ny vidéos mamoafady mampiseho zaza tsy ampy taona ao Manakara ao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny kaomisaria central Manakara. Nanao ny fanadihadihana sy fikarohana ny tompon’andraikitra amin’izany. Vehivavy iray, 42 taona no voasambotry ny polisy tao amin’ny fokontany Andranofasika, izay marihina fa tena atidoha nikotrika sy nanantanteraka ity asa mamoafady ity, raha araka ny fanampim-panazavan’ny polisy hatrany. Nandritra ny fanadihadihana ny olona voasambotra no nahafantarana fa zazavavy tsy ampy taona no ampanaoviny izany. Alefa amin’ny Facebook avy hatrany izany avy eo mba hitadiavam-bola. Tsy mandeha lavitra ilay ramatoa fa ireo tovovavy eo an-tanàna misy azy ihany no ampiresahany dia omeny vola mba ho lasa mpilalao anaty film. Mitatra hatrany ny fomba fampiasan’ny olona sasany ny tambajotra sosialy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici