
Vehivavy maromaro no indray karamainy. Misy ny mbola mpianatra ary 19 ka hatramin’ny 24 ny taonan’izy ireo. Manodidina ny roa hetsy isam-bolana no omeny an’ireo ary indroa isan-kerinandro ihany no afaka mody. Tazonin’ilay ramatoa etsy amin’ny « biraony » etsy Ilafy. Ny asa dia manome fahafinaretana ny vazaha avy amin’ny alàlan’ny horonan-tsary mivantana, alefa amin’ny « internet » izay ataon’ireo vehivavy ireo. Mandoa 1.8 tapitrisa ka hatramin’ny 10 tapitrisa ariary ireo vazaha izay mijery izany. Bizna be arak’izany ho an’ilay ramatoa ity fivarotana avy amin’ny teknolojia ity. Manao izay tian’ireo mpanjifa ireo vehivavy maromaro; izay miasa isan’andro ihany koa. Tovovavy avokoa ireo ary lehilahy dimy ka hatramin’ny folo isan’andro no manjifa, izany hoe mijery mivantana ny horonan-tsary mamoafady izay maharitra 15 ka hatramin’ny 30 minitra. Tonga teny am-pototsofin’ny polisy izay miandraikitra ny fanadihadiana manokana na ny « service des enquêtes spécialisées » ny feo momba ity fivarotan-tena hafakely ity. Nosamborina tetsy Ilafy ilay ramatoa niaraka tamin’ny tovovavy valo; izay nampiasainy. Mbola hita tao avokoa ireo fitaovana maro fampiasa, toy ny solosaina, ny modem ary koa ireo « sextoys » izay fampiasan’ireo tovovavy. Nidoboka am-ponja eny Antanimora ilay ramatoa mpivarotra vehivavy amin’ny internet, ary afaka nody tany an-tranony kosa ireo vehivavy nampiasainy.
D.R