- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversPorno gasy tamin’ny FB : Voasambotra tany Sambava ilay ahiana ho nanaparitaka azy

Porno gasy tamin’ny FB : Voasambotra tany Sambava ilay ahiana ho nanaparitaka azy

Ny herinandro lasa teo no niparitaka tao anaty tambazotra sosialy, ny horonantsarina tovovavy roa, izay mampiseho fihetsika mamoafady anaty trano iray teto an-dRenivohitra. Mazava ho azy, satria efa saika manana Facebook avokoa ny ankabeazan’ny olon-drehetra ka vetivety foana dia nielipatrana ilay horonantsary, ary vetivety torak’izany ihany koa dia nisy nahafantatra ireo « mpilalao ».

Ary ny loza ny tonga teny anivon’ny fianakavian’ny iray tamin’ireo tovovavy; izay mipetraka any amin’iny faritra Sava iny ilay horonantsary. Tovolahy iray, sakaizan’ny iray tamin’ireo tovovavy taloha no niantefan’ny ahiahin’ireto fianakaviana ireto, ho tao ambadik’ity horonatsary ity, ka nisy avy hatrany ny fametrahana fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana. Nandray ny andraikiny ireto farany ka nosamborina ny zoma lasa teo ilay tovolahy ary natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana sy natao fanadihadiana. « Fanaparitahana horontsary mamoafady no anenjehana azy aloha hatreto, satria anisan’ireo nanaparitaka io horonatsary io ny lehilahy ary nanaiky izany ny tenany » hoy ny loharanom-baovao iray akaiky ny famotorana. Araka izany mbola manohy ny famotorana ireo mpitandro filaminana, fa tsy mijanona eto amin’ity tovolahy iray ity akory, hahafantarana marina izay tena tao ambadiky ny fanaparitahana ilay horonantsary ho hitan’ny rehetra.

Raha ny zava-nisy mantsy, araka ny angom-baovao azo, dia toa hoe « nahodina tamina finday taty an-dRenivohitra ilay horontsary mamoafady nisy ireto tovovavy ireto tamina trano iray ». Voalaza anefa, fa very avy eo io finday io ary angamba azo heverina fa nisy nahita. Ity nahita indray avy eo no toa hoe nandefa ilay sary tany amin’ilay tovolahy sakaiza talohan’ny iray tamin’ireo tovovavy tany Sava. « Nanao fihetsika tsy voahevitra araka izany ity farany ka nanaparitaka ilay sary tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy Facebook » hoy hatrany ny avy eo anivon’ny mpanao fanadihadiana. Etsy andanin’izay kosa anefa, nilaza indray ireo solon-tenan’ny fianakavian’ilay tovolahy voasambotra, nitafa taminay, fa « tsy nanao izany raha izy tenany fa karazana fanendrikendrehana no nahazo azy. Ary ambonin’izay, tsy nisy idiran’ilay tovolahy ilay horonantsary : tsy izy no naka izany. Azo heverina fa hadalan’ilay tovovavy samirery ny nanao iny, izay zavatra mbola voararan’ny lalana angamba ny fanaovana azy ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici