
Lehilahy iray fantatra amin’ny petak’anarana hoe « Ledin » no maty voatifitry ny zandary ny alatsinainy teo tany amin’ny distrikan’i Port Bergé (Boriziny) iny. Raha ny voalaza dia efa jiolahy rain-dahiny malaza ratsy any amin’ny faritra iny ingahirainy ary efa nampitondra faisana olona maro. Ankoatry ny mampalaza ratsy azy amin’izay resaka izay anefa dia voalaza ihany koa fa mpilalao ody ratsy tena hikoizana ingahy, ary mahagaga sy mahazendana ny maro fa « miovaova » ho biby rehefa voasambotra ka tafatsoaka foana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tsy naha-izy azy ny balan’ny mpitandro filaminana. Araka ny fampitam-baovao azo, taorian’ny nampiharany herisetra tamin’ny vehivavy iray sakazainy tany amin’iny faritra iny, ny andron’ny 29 oktobra lasa teo dia nanomboka ny hazalambo nataon’ireo mpitandro filaminana azy. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia voalaza fa rehefa nalain-dranamana avokoa ny vola rehetra tao an-trano dia nodorany tsy nanany antra ilay tranon’ity sakaizany ity. Nitsoaka izy taorin’izay. Ny alatsinainy teo, re fa mihaodihaody ao amin’ny tanana antsoina hoe Manarimaevaloka, distrikan’i Boriziny ingahy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ary nametraka velam-pandrika ho fisamborana azy. Tra-tehaka tao an-toerana tokoa i Ledin. Raikitra ny fanenjehana satria tsy nanaiky moa ny hisamborana azy ity “rainivoanjo”vaovao ity. Tsy maintsy nampiasa fitaovam-piadiana araka izany ireo zandary, nitiftra taorian’ny fampitandremana. Io voa i Ledin. Naratra mafy ary tsy tana intsony ny ainy. Azo lazaina hoy ny vaovao fa zava-dehibe amin’ny mponina any an-toerana ny nahalavo ity olon-dratsy raindahiny nampihorohoro ny rehetra. Na dia eo aza ny mety ho ekipany dia heverina fa hiverina tsikelikely ny fiainan’ny mponina. “Maro ireo namany mbola karohina ary mbola mitohy ny ezaka ataon’ireo zandary”, raha ny vaovao voaray hatrany.
m.L



