Niainga tamin’ny fisamborana olona nandika lalàna ny raharaha. Rehefa tsy faly ny havan’ireo sy ny olona akaiky azy, dia nitady izay nasiana ireo olona mba hamoahana avy hatrany azy ireo. Teo ary dia notadiavina eran’ny tanàna ireo ka rehefa tsy hita dia ny manampahefana indray no nilaina vaniny. Nodorana ny tranon’ny sefo distrika izay voatery nitsoaka tao an-toerana mba ho fiarovany ny ainy. Izany no nitranga tao an-tampon-tanànan’i Port-Bergé ny 22 jiona lasa teo. Olona an-jatony no indray nampihorohoro ny tanàna ary nifampitarika nanao io herisetra io. Nandeha tsimoramora avy teo ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny fisamborana ireo olona izay nahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fandorana trano sy fikasana hamoaka an-keriny ny olona eo am-pelan-tànan’ny mpitandro ny filaminana. Nisy 32 izy ireo no nidoboka am-ponja, fa nihoatra an’izany kosa ny natolotra ny fampanoavana tamin’ity raharaha ity. Tsy navelavelan’ny manampahefana nandeha mora foana ity raharaha ity na dia somary taty aoriana aza vao nisy ny fisamborana sy fampidirana am-ponja. Raha ny tompon’andraikitra natao hitandro ny fampivoarana ny tanàna ary indrindra koa hitandrina ny filaminana eo amin’ny fari-piadidiana izay iandraiketany tokoa moa no hiharan’izany ka nitazam-potsiny, mazava hoazy fa manome endrika toa ny hoe tany tsy misy fanjakana intsony izany eo imason’ny olona izay entiny. Ary dia tsy hahazo hasina intsony izy manomboka eo. Rariny loatra arak’izany, raha tsy namelany ny raharaha raha tsy tonga any amin’ny fisamborana sy fampidirana am-ponja izay mety ho tompon’andraikitra. Miainga amin’ny fahasahiana ny fanjakana tan-dalàna ary tsy ananana antra amin’izay manao ny tsy mety. Raha ny kolon-tsainy « moramora » hatrany no hampiharina eto dia tsy hisy fiovana azo andrandraina izany mihitsy, na afaka 50 taona aza…
D.R