Lehilahy iray 35 taona no hita faty tao amin’ny parcage tany Port Bergé ny alarobia lasa teo vao maraina be. Ny olona teo amin’ny toerana no nampandre avy hatrany ny tompon’andrikitry ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena ny razana dia tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany amin’io olona io. Ireo nahita koa voalaza fa tsy nisy nahalala azy. Nandeha ny resaka fa toa hoe saika hamaky trano izy io ka ankevitry ny nisy nahatsikaritra ny fihetsiny. Efa mandeha ny fanadihadiana ahafantarana izay antony nahafaty azy.
ALEM