- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversPort bergé : Lehilahy iray nahatratrarana rongony 8 kg tao anaty «...

Port bergé : Lehilahy iray nahatratrarana rongony 8 kg tao anaty « taxi-brousse »

Tsy nampoizin’ity lehilahy ity mihitsy ny velapandrika nahazo. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka SOFIA ny lehilahy iray 49 taona ny alin’ny 09 febroary 2022 lasa teo nandritra ny sakana natao noho ny fitondrana zava-mahadomelina. Teo am-panatanterahana ny ezaka amin’ny fanaraha-maso ny faritra iadidiany mba hiadiana amin’ny endrika tsy fandriampahalemana misy akehitriny indridra ny polisy no nahazo izao vokatra izao. Na,dritra nhy sakana mba hahafahana manara-maso ireo entana sy olona mifamezivezy izy ireo no nahatsikaritra zavatra tamin’ny entana nentina mpadeha « taxi-brousse » tao Aandriambavontsona, taoPort Bergé, ny alin’ny 09 febroary 2022 tokony ho tamin’ny 08 ora sy 30mn. Lehilahy iray 49 taona tao anaty fiara fitateran’ olona no nahitana sakaosy miisa 02 izay nisy rongony milanja 8kg. Araka ny fantatra dia nojifaina tany amin’ny faritra Ambalafaminty ilay rongony ary entina amidy any amin’ny faritra Mahajanga. Anisan’ny mpamatsy zava-mahadomelina ny faritra Mahajanga moa ity lehilahy voasambotra ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici