- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversPort-Bérgé : Mpanolana maty voatifitra

Port-Bérgé : Mpanolana maty voatifitra

Natao savahao ny fikarohana an’ilay lehilahy nahavanon-doza. Mpianatra amin’ny kilasy faharoa eny amin’ny Lisea no naolany ary avy eo novonoiny ny talata lasa teo. Tezitra ny olona raha naheno ity heloka bevava ity. Nanokatra fanadihadiana haingana ny zandary ary raha vao fantatra ny tompon’antoka dia natomboka avy hatrany ny fikarohana azy. Tsy ela dia sarona, satria tena nanampy tamin’ny fanomezam-baovao ny fokonolona. Fantatra hatramin’ny anarany, izay antsoina hoe Risady, sy ny mombamomba azy rehetra. Rehefa nandeha ny savahao dia voasambotra io farany. Teo am-pitondrana azy ho any amin’ny biraon’ny zandary Port-Bergé no mbola nikasa ny hitsoaka ihany ka voatery nampiasana basy, ary maty tsy tsa-drano. Iny dia tsianjery efa hain’ny maro ihany, saingy ny tsapa dia efa tena romotra ny olona raha vao resaka fanolanana no mitranga. Tsy nisy nangoraka azy ary nitehaka aza ny maro rehefa nandre fa lavo ilay mpanolana sy mpamono olona. Inona intsony tokoa moa ny mbola andrandraina amin’ny olona mahavita habibiana tsy roa aman-tany toy izany, hoy ny fifanakalozan-kevitra hita anaty tambajotra. Momba ity vonoan’olona ity indray dia mbola nahavita nanazava ny olon-dratsy fa nokapohiny tamin’ny lohany aloha ilay tovovavy mba ho torana. Rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanamparany ny herisetra ara-nofo. Vita izay dia novonoiny ho faty. Io tovovavy io dia nikasa hamonjy ny fianakaviany any ambanivohitra mandritra ny fialan-tsasatra, kinanjo nifanehitra tamin’ilay tsy mataho-tody ary dia io niafara tamin’ny fahafatesany io. Miteraka adihevitra eo amin’ny fiaraha-monina hatrany ny momba ny fanolanana. Na dia eo aza ny lalàna izay tena nohamafisina dia toa mbola betsaka ihany ny mahavita izany. Volana iray monja (janoary lasa teo) dia efa nahitana tranga fanolanana miisa 144. Mitandahatra mihitsy ny fidiran’ny mpanolana ao Tsiafahy mandra-piandry ny fitsarana. Fitsarana izay tsy hisangy amin’ny didy havoakany, satria ny sazy faran’izay mafy matetika no voatondro anaty lalàna famaizana, ary izany dia miampy ny famosirana amin’ny tsindrona. Betsaka ny hanenina nefa efa tara loatra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici