Ny manam-pahefana rehetra tao amin’ny tanàna no indray nandamina ny sain’ireo olona manodidina ny 500 isa. Ireo fokonolona ireo dia nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray izay voasambotra ka notazomina tao amin’ny biraon’ny polisy tao Anahidrano, fokontany iray eo anivon’ny distrikan’i Port-Bergé. Ny alarobia teo no nitrangan’izany rehefa nandeha ny fanahiana rehetra fa sarona nangalatra omby miisa efatra ny jiolahy roa. Voasambotra ny iray tamin’ireo ary avy hatrany dia niely koa ny vaovao mahakasika izany. Nirohotra ary ny olona nankeny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary nitaky, toy izay efa nitranga tany amin’ny faritra maro, ny hamonoana tsy misy hataka andro ilay voarohirohy ho jiolahy. Voatery nampanantsoina avokoa ny manam-pahefana rehetra sy ny olom-boafidy tao an-toerana mba hitadiavana vahaolana momba ity raharaha ity. Ny mba tsy hisian’ny rotaka no tena tanjona satria efa tena romotra ireo olona izay an-jatony maro tonga teo anoloan’ny biraon’ny pôlisy. Nivory faran’izay maika ny mpikamban’ny OMC teo anivon’io distrika io. Ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria, ny lehiben’ny distrika, ny ben’ny tanàna, ny solombavambahoaka, ny lehiben’ny pôlisy ary ny mpitsara dia samy nandray anjara tamin’io fivoariana maika io. Isan’ny tapaka ny nandefasana avy hatrany ilay olona tandindomin-doza any amin’ny fonja avy hatrany. Noresahina ihany koa ny olona ary nampanantenaina izy ireo fa harahin’ny tompon’andraikitra akaiky ny raharaha mahakasika ilay jiolahy. Niverina ny filaminana taoarian’izay. Efa betsaka ny toby voaroba vokatry ny fikasàna hanao fitsaram-bahoaka. Eto amintsika dia mbola isan’ny ady iray atrehina ny famerenana ny tany tan-dalàna.
D.R