- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversPort- Bérgé : Nisy nandoro ny tranon’ny sefo distrika

Port- Bérgé : Nisy nandoro ny tranon’ny sefo distrika

Voatery nitsoaka tao an-toerana faran’izay haingana izy noho ny fisian’ny andian’olona izay tombanana ho 500 mahery tonga teo an-tranony. Omaly tolakandro no niseho izany tao an-tampon-tanànan’i Port-Bérgé. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia olona sosotra tamin’ny fisamborana natao tamin’ny olona akaiky azy ireo no nifamotoana ary nivantana tao an-tanàna. Rehefa izany ary dia nitady izay toerana nitazomana ireo voasambotra ireo olona marobe. Nihodinkodina eraky ny tanàna izy ireo ary tsy nahita izany. Teo indray dia niova ny hevitra ary nandeha teny amin’ny toeram-ponenan’ilay manam-pahefana voatondro etsy ambony. Nivadika tanteraka ny fandehan-javatra teo satria dia nanapa-kevitry ny nandoro ilay trano ireo olona marobe. Teo no niala haingana ilay sefo distrika mba ho fiarovana ny ainy sy ny fianakaviany. Raha ny fanamarinam-baovao izay natao dia nisy olona tsy fantatra isa ninia niditra tao anaty faritra arovana (aire protégée). Niditra an-tsehatra avy hatrany nanao ny asany ny tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ilay toerana, izany hoe ny solontenan’ny minisiteran’ny rano sy ala any amin’io faritra io. Mbola endrika fitsaram-bahoaka ny zavatra toy izao. Raha ny zava-misy izay niverimberina sy tsikaritra aza dia tena lasa fanaon’ny olona tanteraka ny mifampitaona ary mandeha avy hatrany eny amin’ny biraon’ny manam-pahefana na koa tobin’ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny tsy mahafaly azy ireo. Vao afak’omaly no niharan’izany ny mpitandro ny filaminana tao Maevantanana. Rehefa nosamborina ny noahiahiana ho jiolahy mpanakan-dàlana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra izay mifanandrify amin’i Maevantanana dia nanohitra avy hatrany ny olona akaiky azy ireo. Ny niafarany dia navotsotra fotsiny ireo olona, nahitàna porofo anefa satria hita tao an-tranon’ny sasany ny entan’ny olona voatafika tamin’ny taxi-brousse nitatitra azy ireo. Midika izany fa mitady handresy ny fampiharana ny lalàna manan-kery ny fitsaram-bahoaka. Mila paik’ady maika avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra satria tsy vitan’ny atrikasa sy fiofanana etsy sy eroa intsony ny zava-miseho. Mila stratejia mivaingana amin’izay…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici