- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversPort Bergé : Saika norotahan'ny fokonolona ny kaomisaria sy ny toby miaramila

Port Bergé : Saika norotahan’ny fokonolona ny kaomisaria sy ny toby miaramila

Noho ny resaka olana amin’ny ady tany dia nosamborin’ny polisy avy ao Port Bergé ny olona efatra ( lehilahy telo sy vehivavy iray) izay monina ao Ambatomay, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, mba hanaovana famotorana. Tsy faly tamin’izany anefa ny vahoaka sasantsasany tao an-toerana ka tonga nitokona sy nilanaja sora-baventy mitaky ny hialan’ny kaomisera sy ny kolonely iray ao an-toerana, izay voalaza fa isan ‘ny antony nahatonga izao olana izao, ary mitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny taniny. Nikasa ny handroba ny kaomisaria moa ry zareo saingy voafehy vetivety izany. Taorian’izay dia nifindra tany amin’ny tobin’ny miaramila indray ireto vahoaka ireto, ary mbola nitaky ny hialan’ireo manamboninahihtra roa ireo. Raha ny fanazavana azo dia voalaza fa nanongotra « borne » maromaro tamin’ny tanimbarin’ireo manamboninahitra ireo ao Ambatomay ireto olona efatra ireto. Nivory avy hatrany moa ny tomponandraiki-panjakana rehetra tao an-toerana ka nomena baiko ny lefitry ny sefo distrika sy ny sefo fokontany hanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nohafainganina ihany koa ny fakana am-bavany ireo olona efatra voasambotra mba hahafahana manolotra azy ireo any amin’ny Fitsarana. Nirava ihany moa ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa nisy ny fifampiraharahana natao.

A.R.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser