- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversPort-Berger : Fiara na greffier namono olona

Port-Berger : Fiara na greffier namono olona

Ny sabotsy teo tokotokony ho ny mitatao vovonana tany ho any no nandeha mafy dia mafy ity fiara Peugeot 305 ka nifaoka olona teny amin’ny sisin-dalana. Marihina fa greffier ao an-tanana no tompon’ity fiara nandona olona ity. Naratra mafy tokoa ilay rangahy ka nisahotaka izay nahita ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly . Noho ny rà very taminy anefa dia tsy tonga tany amin’ny hopitaly dia tapitra ny ain’ity voadona.

Teo anoloan’ izany ary dia nentim-pahatezerana ny havan’ny maty ary tsy nanaiky ka namoaka vava izy ireo fa handoro ny Tribonaly ao Port-Berger ho valifaty amin’ny havany maty.Teo anoloan’izany dia nisavorovoro ny tao an-tanana ka nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana tany ary nametraka zandary 6 hiaro ny tribonaly tany an-toerana. Tena efa maimbo rà tokoa ny olona amin’izao ka mila mitandrina eo anivon’ny fiaraha-monina , satria mety mampitatra ny toe-draharaha ny tsy fitandremana ka mitarika savorovoro eo anivon’ny tontolo manodidina.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser