Miaramila 5 no voasambotry ny zandary tao Port-Berger rehefa avy nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranona mpandraharaha iray tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Voaroba tamin’izany ny vola 20 tapitrisa ariary, ny volamena, ny finday, ary entana maromaro.
Araka ny fampitam-baovao dia tamin’ny misasakalina no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity ireo jiolahy izay nirongo basy rehefa avy nanapitsoka ny varavarana tamin’ny « barre à pince ». Nivantana avy hatrany tany amin’ny efita fatorian’ity mpandraharaha sy ny vadiny izy ireo avy eo ka nandrahona sy namatotra ilay rangahy. Ramatoa kosa nentina nitety ny efitrano mba hanoro ny vola sy ny entana lafo vidy rehetra.
Nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy ny zandary tao Port Berger rehefa nahazo ny fitoriana avy amin’ny niharam-boina ka niafara tamin’ny fahatrarana ireto miaramila ireto izay voalaza fa tadidin’ilay Ramatoa tsara ny endriky ny roa tamin’izy ireo.
T.M.