- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversLalana Vatomadry-Mahanoro : Potika tanteraka ny lalana ankehitriny

Lalana Vatomadry-Mahanoro : Potika tanteraka ny lalana ankehitriny

Tena simba tanteraka ny lalana mihazo an’i Mahanoro iny miainga avy ao Vatomandry amin’izao fotoana izao. Efa ela izy iny no tsy nisy ny fanamboarana na fanarenana nataon’ny fanjakana, indrindra taorian’ny taona 2009 no nankaty. Nisy ihany ny fanamboarana nataon’ny faritra saingy notsogaina izany ka izao potika izao ilay lalana. Miteraka fahasimbana amin’ny fihariana sy asan’ny olona amin’iny faritra iny ny zava-misy satria miakatra avokoa ny vidin-javatra noho ity fahasimban-dalana ity, ary raha natao adino enina ny zotra teo aloha, izao miala maraina eto Toamasina efa hariva ny andro vao tonga any Mahanoro. Efa nanome toky ny fanjakana amin’ny fanarenana ity lalana ity, fa hatramin’izao tsy misy izany satria tsy mbola nodihina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny momba ity lalana Vatomandry – Mahanoro ity. Miandrandra ny fanamboarana ity lalana ity ny vahoaka maro, satria raha tsy vita izany hatramin’ny fidiran’ny fahavaratra izao dia tena miverina lalan-tany ity lalana efa vita tara ity. Ankoatra izany dia ny saran-dalana mihazo an’i Mahanoro avy aty Toamasina dia efa mitovy amin’ny  saran-dalana mihazo an’Antananarivo manodidina ny 30.000 ariary isan’olona ary mbola andoavam-bola ny entana entina ka 10.000 ariary ny saribao iray gony ohatra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici