- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversPraiminisitra Antsirabe : Zara raha nahita mpianatra tao an-tsekoly

Praiminisitra Antsirabe : Zara raha nahita mpianatra tao an-tsekoly

Hentitra ny praiminisitra Ntsay Christian raha tonga nitsidika  EPP roa  teto Antsirabe dia ny EPP Garbit sy ny EPP Mahazoarivo. Tsy araka ny feo mandeha milaza fa efa mianatra avokoa ny mpianatra  ny zavatra hitan’ny praiminisitra raha nitsidika ny EPP Garbit ny tenany . Nisy tamin’ireo ray aman-dreny no nilaza fa nampiantsona izy ireo nanambarana fa amin’ny alatsinainy indray vao asaina miverina an-tsekoly ny zanany. Etsy ankilany anefa nanamafy ireo mpampianatra mitokona fa tsy hisy hiverina hampianatra  izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiana rehetra. Saika niafara tamin’ny sakoroka mihitsy moa ny sit-in nataon’ireo mpampianatra omaly satria nanararaotra ny fandalovan’ny praiminisitra teto Antsirabe izy ireo nanao filaharam-be nikasa hamonjy ny toerana nisy ny praiminisitra. Nazava anefa ny tenin’ny PM Ntsay Christian fa nitady vahaolana ny fanjakana manoloana ireo fitakian’ny mpampianatra ireo. Teboka 7 tamin’ireo valo notakiana no efa voavahan’ny fanjakana ka hatramin’ny taona 2020 no hanefana izany tsikelikely. Vahaolana ara-tsendikaly no natolotra, hoy ny teniny hentitra, fa raha olana ara-politika kosa no misy dia tsy maintsy handray vahaolana ara politika ny fanjakana. Antso farany no ataoko, hoy hatrany ny praiminisitra nanazava, fa tsy tokony hatao sorona ny zaza malagasy, indrindra ireo zaza hanala fanadinana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici