Tao anatin’ny fotoana fohy dia niakatra avo roa heny ny tambin-karama mahakasika ny fikaroham-baovao momba an-dRalaivita Tsilonativo, dit Dadan’i Jemima, sy Rijason Fenohery. Izy roalahy izay navitrika tamin’ny fanohanana ankitsirano ny fitondràna volomboasary sy famotehana olona izay mba niaro ka nanohitra ny tsy nety. Ny herinandro teo dia mbola roa tapitrisa ariary ny saran’ny fanomezam-baovao izay mety hanampy amin’ny fisamborana ny voakasika. Andro vitsy taty aoriana dia efa niakatra avo roa heny mahery izany. Mandeha hatrany ankehitriny ny hazalambo ireo forongony ary tsy afa-bela ireo nikirakira serasera tamin’ny tambajotran-tserasera.
D.R




