Riana Raymond Randrianarisoa no nibata ny laharana voalohany tamin’ireo mpanao gazety miasa tena (Freelance) miara-miasa akaiky amin’ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena amin’ilay « Prix Martin Adler ». Ny talata teo no nivoahan’ny anaran’ny nibata ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana, ka nahazoan’i Riana Raymond ny laharana voalohany. Efa an-taonany maro no niarahany niasa tamin’ireo orinasan-gazety iraisam-pirenena sy tetikasan-gazety mpanao fanadihadiana lalina, ka nahatonga azy ho voafidy tao anatin’ity fifaninana ity. Maro ireo lohahevitra efa niasan’ny mpanao gazety, toy ny kolikoly, famotsiam-bola, hosoka ara-ketra ary ny fanondranana an-tsokosoko isan-karazany. Nivoaka tamin’ireo gazety boky sy tambajotra iraisam-pirenena, toy ny The Economist, Mongabay ary ny OCCRP, ireo lahatsorany. Raha ny filazan’i Riana Raymond dia misy akony kokoa ny lahatsoratra mivoaka any ivelany noho ny eto amintsika raha resaka fanadihadiana lalina. Nilaza moa ny mpitsara tamin’ny Prix Martin Adler fa namoaka ny marina momba ny zava-misy eto amintsika i Riana Raymond na nanohintohina sy mety ho nampidi-doza azy aza izany. Nandrisika ireo tanora kosa izy mba hiroso amin’ny fanaovan-gazety fanadihadiana lalina mba hialana amin’ny asa fanaovan-gazety mahazatra, ary natolony ho an’ny fanadihadiana lalina eto Madagasikara ity amboara ity. Marihina fa miara-miasa amin’ny tambajotra Malina, an’ny Transparency International, i Riana Raymond.
Yv Sam