- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRababany : Nofaohin'ny "camion citerne"

Rababany : Nofaohin’ny « camion citerne »

Naratra ary nihetsika hatramin’ny taolan-damosiny aza, faritra izay isan’ny saro-pady indrindra amin’ny vatan’olombelona satria mifandray mivantana amin’ny saina izay mibaiko ny fihetsehana rehetra avy eo. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nofaohin’ny kamiao mpitatitra solika i Rababany Christophe raha nitaingina moto ka nizotra tamin’iny lalan’ny by-pass iny. Nianjera sy naratra avy hatrany ary tsy tafahetsika noho ny hamafin’ny fandomana azy. Ny fiaran’ny masoivoho maorisiana izay sendra nandalo teny an-toerana tamin’io fotoana io ka nahita ny zava-nitranga no nitondra an-dRababany teny amin’ny hopitaly Hjra. Natao avy hatrany ny fitsaboana sy ny fanavotana ny ainy. Nitohy tamin’ny fitiliana ny lohany sy ny lamosiny izany nony avy eo. Teo no nahitàna fa nihetsika ny taolan-damosiny. Atahorana ankehitriny ny hoe mbola afaka ny hihetsika ve ny tapany ambanin’ity mpilalao fanta-daza amin’ny haiady kick-boxing ity? Tsy niandry ela ny fanapahan-kevitra tamin’ny nandidiana azy, ny lamosiny raha ny marimarina kokoa, mba hanintsiana ny taolan-damosiny. Taorian’izay anefa, omaly maraina, dia mbola tsy afa-nihetsika hatrany ny tongony, raha araka ny fanazavan’ny havany izay tafaresaka taminay. Io loharanom-baovao io ihany no nanamarika fa tsy maintsy haverina ny fandidiana azy. Omaly anefa dia mbola nizara ny hevitra ny amin’ny hoe hotohizana eto Madagasikara ihany ve ny fitsaboana azy sa kosa entina any ivelany. Ao amin’ny nosy rahavavy Maorisy hatreto no eritreritra hitondràna azy raha toa ka ho tapaka ny hevitra. Etsy andanin’izany, ireo mpitsabo malagasy kosa dia nampanantena fa ho vitan’izy ireo io fandidiana io. Mbola nizara araka izany ny hevitra omaly. Fantatra kosa fa efa nanomboka omaly ny fihainoan’ny zandary ilay mpitondra kamiao izay tompon’andraikitra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Rababany Christophe dia fa manana ny lazany eo amin’ny taranja Kick-boxing : tompon-daka lefitra eran-tany, tompon-dakan’i Afrika. Sombiny ihany izany satria marobe ny fifaninana nasionaly sy maneran-tany efa norombahiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser