- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRadio FMFOI : Paska ara-baiboly ao amin’ny Coliséum

Radio FMFOI : Paska ara-baiboly ao amin’ny Coliséum

Mankalaza ny faha-20 taonany ny radio ara-pilazantsara FMFOIizay miara-miasa amin’ny Pasitera mpanorina azy. Isan’ny antom-pisian’ity onjam-peo ity ny fitoriana filazantsara, ka ankehitriny dia miezaka mampiasa ny fitaovam-pifandraisana rehetra izy mba hahazoana ny tanjona. Isan’izany ny televiziona sy ny fitaovan-tserasera hafa. Mifandraika amin’ny fankalazana ny hetsika Paska izay hotontosaina ao amin’ny Coliséum ny 22, 23 ary 29 martsa ho avy izao. Paska ara-baiboly no hiantsoana azy ka sady ara-baiboly izany no ara-malagasy, araka ny fanisana ny andro, raha ny fanazavan’ny Pasitera Benjamina. Tamin’ity herinandro ity dia nisy ny « caravane évangélique » izay nitety faritra maro teto Antananarivo ary nitory ny tenin’Andriamanitra sy nampahafantatra ny momba io hetsika ao amin’ny  Coliséum io. Ny tanjona tamin’izany dia ny hamaly ny hetahetan’ny mpihaino sy ny fanirian’izy ireo hoentina am-bavaka mivantana eo amin’ny toerana misy azy, na an-kalamanjana izany na ao an-tokantrano. Maro ny olona nandray fahasoavana tamin’izany, raha araka ny fanazavan’ny mpitari-piangonana hatrany. Fanovana ny sosialim-bahoaka, fampitsaharana ny fanaintainana sy izay mety ho tomany na karazana sakana tsy ahafahan’ny olona mandroso, ireo no isan’ny tanjon’ny fiangonana. Mizara lohahevitra maromaro ny hatao amin’ny Coliséum ka ny 22 martsa dia ny fanasitranana, 23 dia fandravàna ny asan’ny ratsy ary ny 29 dia ny fitahiana.

d.r

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici