Mifamahofaho be ihany ny raharaha misy eo anivon’ny kaominina ankehitriny, satria tsy nahafaly ny ben’ny tanàna ny famoahan’ny fampanoavana taratasy mampisambotra sy mampanao fanadihadiana azy, izay nahatonga ny lehiben’ny fampanoavana tampoka teo niantso mpanao gazety nanazava sy nanohitra ilay taratasy vitany sonia ara-dalàna nataony sy nomena ny polisy misahana ny fanadihadiana azy. Raha ny vaovao aloha dia efa nahavitana fakana am-bavany avokoa ilay mpitory izay sady noroahina tsy ara-dalàna sy mbola nangalarina koa ny entany ary nodarohana, ka feno mangana mihitsy ny vadiny. Teo koa ny ben’ny tanàna lefitra voalohany; ary ireo “gros bras” nirahina manokanana nanao ilay fihetsika nandritra ilay raharaha tao Tanambao V. Fantatra anefa izao fa tokony ho anjaran’ny ben’ny tanàna, izay tena voatonona ao anatin’ilay fitoriana sy ilay taratasy nosoniavin’ny tonia mpampanoa lalàna mampisambotra sy mampanao fanadiadiana sisa andrasana amin’ilay raharaha. Hatreto anefa dia tsy misy sahy nahao izany ka betsaka ny ahiahain’ny mpitory sy ny niharam-boina amin’ny ho fanaverezana ity raharaha ity an-javony, na dia nisy porofo ara-dalàna napetraky ny mpitory aza sy nandraisan’ny tonia mpampanoa lalana ny didy navoakany. Raha ny angom-baovao natao, izay nohamafisin’ny tonia mpampanoa lalàna nandritra ny fiantsoany mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany, dia nametraka fitoriana koa Ingahy ben’ny tanàna Ratsiraka Elisé Laurent, saingy tsy ilay noratrainy sy ilay nisian’ny halatra ary nanaovan’ny solontenam-panjakana fidirany an-keriny tao an-tranony no notoriany, fa ireto mpanolotsaina roa heveriny ho fahavalony eo anivon’ny kaominina. Resaka fanaovana fanoheram-panjakana amin’ny didy navoakan’ny ben’ny tanàna” izany no anenjehana azy ireto. Tsy zakan’ny ben’ny tanàna mantsy ny fiarovana ny “marina” nataon’ireto mpanolotsaina roa ireto, mpanolotsaina TIM ny iray ary mpanolotsaina tsy miankina ny faharoa, ilay niharan’ny herisetra, ka izao notoriany izao. Efa nanaovana fanadihadiana ny zoma lasa teo ilay mpanolotsaina tsy miankina eo anivon’ny kaominin’i Toamasina. Mbola miandry ny anjarany kosa ilay mpanolotsaina TIM miaraka aminy. Ity raharaha ity izany no ahiana hiteraka sakoroka goavana indray eto Toamasina, satria hiditra fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ireo mpanolotsaina, ary mandritra izany no tsy maintsy hanaovan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ny fandiniam-bola nataon’izy ireo ny taona nivalona iny…
Malala Didier